Ny Salamo

Toko faha-89

2 Te-hihira mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo aho: hanambara ny fahamarinanao amin'ny taranaka rehetra, ny vavako.

3 Fa hoy aho: Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay; naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.

6 Ry Iaveh, ny lanitra mankalaza ny fahagagana ataonao, mbamin'ny fahamarinanao eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.

7 Fa iza any an-danitra no hitaha amin'ny Tompo? Iza amin'ireo zanak'Andriamanitra no manahaka an'ny Tompo?

16 Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!

17 Mifaly mandrakariva amin'ny anaranao izy; ary misandratra amin'ny fahamarinanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1454