Ny Salamo

Toko faha-89

20 Fahiny hianao niteny tamin'ny malalanao, tamin'ny fahitana nanao hoe: Izaho namonjy fanampiana ny mahery anankiray; nanandratra zatovolahy anankiray avy eo afovoan'ny vahoaka;

21 nahita an'i Davida mpanompoko; nanosotra azy tamin'ny diloilo masina.

22 Homba azy lalandava ny tanako; ary hankahery azy ny sandriko.

27 Izy hiantso ahy hoe: Hianao no raiko, sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy.

28 Ary izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0683