Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 8, 4-5,6-7,8-9,

       <4Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tànanao,
mbamin'ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
       5Inona ny olombelona no mba tsarovanao?
ary ny zanak'olombelona no mba karakarainao?
       6Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy,
nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.
       7Nampanjakainao amin'ny asan-tànanao izy,
napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:
       8omby aman'ondry tsy ankanavaka,
mbamin'ny biby any an-tsaha;
       9voro-manidina aman-kazan-dranomasina,
mbamin'izay mitety ny làlan-dranomasina. >