Ny Salamo

Toko faha-90

2 Talohan'ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay hianao, ry Andriamanitra!

3 Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao, ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!

4 Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy, ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.

10 Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara-fahabetsany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!

14 Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy ravoravo, amin'ny andronay rehetra.

16 Aoka hiharihary amin'ny mpanomponao ny asanao, mbamin'ny voninahitrao, ho an'ny taranany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0541