Ny Salamo
Toko faha-90
3 Mampanjary ny olombelona ho vovoka hianao, ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona!4 Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy, ary tahaka ny fiambenana iray amin'ny alina.
12 Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay, mba hahazoanay fo hendry.
13 Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?... Mamindrà fo amin'ny mpanomponao!
14 Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina, dia hifaly sy ravoravo, amin'ny andronay rehetra.
17 Ho aminay anie ny fanambinan'ny Tompo, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan'ny tànanay; Eny, hamafiso ny asan'ny tànanay!