Ny Salamo
Toko faha-92
2 Tsara ny midera an'ny Tompo, sy ny mankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,3 ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina, ary ny tsy fivadihanao, nony alina,
13 Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libana izy.
14 nambolena ao an-tranon'ny Tompo izy, dia hamony eo amin'ny kianjan'ny Andriamanitsika.
15 Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana,
16 mba hanambara fa marina Iaveh: izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.