Ny Salamo
Salamo toko 93
Ny fanjakan'Iaveh, Tompo Mpahary izao rehetra izao.
1 Mpanjaka Iaveh, mitafy fiandrianana izy, mitafy Iaveh, misikina hery izy:
ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.
2 Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao,
misy hatramin'ny mandrakizay hianao.
3 Ny ony, ry Iaveh, manandratra,
ny ony manandratra ny feony,
ny ony manandratra ny onjany mimamamama.
4 Mihoatra noho ny feon'ny ranobe,
sy ny onjan-dranomasina mahery,
dia be voninahitra Iaveh any amin'ny avo!
5 Tsy miova ny teny vavolombelonao,
ny fahamasinana no mendrika ny tranonao;
mandritra ny faharetan'ny andro rehetra, ry Iaveh ô!