Ny Salamo

Toko faha-94

1 Ry Iaveh, Andriamanitry ny famaliana, ry Andriamanitry ny famaliana, misehoa!

2 Mitsangàna, ry mpitsara ny tany, valio, araka ny asany, ny mpiavonavona.

3 Mandra-pahoviana no handresen'ny ratsy fanahy?

4 Mandefa teny avonavona tsy erany izy, mirehareha avokoa ireo mpanao ratsy.

5 Iaveh ô, izy ireo dia manorotoro ny vahoakanao, mampahory ny lovanao,

6 mamono ny mpitondratena sy ny vahiny, mahafaty ny kamboty,

7 ka manao hoe: Tsy mijery akory Iaveh, tsy asian'Andriamantr'i Jakoba raharaha akory izany!

8 Mba fantaro kely, ry zana-bahoaka adala! Rahoviana no mba hanana fahalalana hianareo, ry adala?

9 Tsy handre va ilay namboly ny sofina? Tsy hahita va ilay namorona ny maso?

10 Tsy hamay va ilay manasazy ny firenena? Tsy hahalala va, ilay manome saina ny olona?

11 Mahalala ny hevitry ny olombelona Iaveh, ary fantany fa zava-poana izany.

12 Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh, sady omenao fampianarana ny lalànao,

13 mba hanonenao azy amin'ny andron'ny fahoriana, mandra-pahavoahady ny lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

14 Fa tsy hanary ny vahoakany Iaveh, tsy hahafoy ny lovany izy;

15 fa tsy maintsy hifanaraka amin'ny rariny indray ny fitsarana, ary hihoby amin'izany avokoa ny olona mahitsy fo.

16 Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy? Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy?

17 Raha tsy Iaveh no vonjiko, dia halaky mitoetra any amin'ny fonenan'ny fahanginginana ny fanahiko.

18 Raha vao milaza aho hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia tohanan'ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!

19 Raha akorontan'ny ahiahy marobe ny saiko: Ampifalian'ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

20 Manam-pikambanana aminao akory va, ny fitsarana mandoza, izay manao ratsy, manaraka ny fomba fitsarana tsy ara-dalana?

21 Midodododo hamono aina ny marina izy ireo; ary manameloka ny ra tsy manan-tsiny.

22 Iaveh anefa no trano mimandako, ny Andriamanitro no vatolampy ialofako.

23 Hataony mifotitra amin'ireny ny helony; ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny: haringan'ny Tompo Andriamanitra izy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0358