Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 94, 12-13a,14-15,18-19,

       <12Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh,
sady omenao fampianarana ny lalànao,
       13mba hanonenao azy amin'ny andron'ny fahoriana,
mandra-pahavoahady ny lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
       14Fa tsy hanary ny vahoakany Iaveh,
tsy hahafoy ny lovany izy;
       15fa tsy maintsy hifanaraka amin'ny rariny indray ny fitsarana,
ary hihoby amin'izany avokoa ny olona mahitsy fo.
       18Raha vao milaza aho hoe: Mangozohozo ny tongotro,
dia tohanan'ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!
       19Raha akorontan'ny ahiahy marobe ny saiko:
Ampifalian'ny fampiononanao kosa ny fanahiko. >