Ny Salamo

Toko faha-95

1 Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo! Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!

2 Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.

3 Fa Iaveh dia Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin'ireo andriamanitra rehetra.

4 Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon'ny tendrombohitra.

5 Azy ny ranomasina, fa izy no nanao azy; mbamin'ny tany koa, fa ny tànany no namorona azy.

6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika; mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.

7 Fa izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian'ondry entin'ny tànany.

8 Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,

9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.

10 Nandritra ny efapolo taona aho monainan'izany taranaka izany, ka nanao hoe: Vahoaka manana izay fo mania izy, ary nahalala ny làlako.

11 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako aho, nanao hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001