Ny Salamo
Toko faha-95
6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika; mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.7 Fa izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian'ondry entin'ny tànany.
8 Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,
9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.
10 Nandritra ny efapolo taona aho monainan'izany taranaka izany, ka nanao hoe: Vahoaka manana izay fo mania izy, ary nahalala ny làlako.
11 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako aho, nanao hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako izy.