Ny Salamo
Toko faha-95
1 Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo! Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!2 Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.
3 Fa Iaveh dia Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin'ireo andriamanitra rehetra.
4 Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany, ary azy ny tampon'ny tendrombohitra.
5 Azy ny ranomasina, fa izy no nanao azy; mbamin'ny tany koa, fa ny tànany no namorona azy.
6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika; mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.
7 Fa izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian'ondry entin'ny tànany.