Ny Salamo
Salamo toko 95. 1-2,6-7ab,7d-9a
Fiantsoana hidera sy hanaiky an'Andriamanitra.
1 Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo!
Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!
2 Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana;
aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.
6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika;
mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.
7 Fa izy no Andriamanitsika,
ary isika dia vahoaka eo am-balany,
andian'ondry entin'ny tànany.
8 Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,
tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,
9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy,
sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.