Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 95, 6-7,8-9,10-11,

       <6Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika;
mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.
       7Fa izy no Andriamanitsika,
ary isika dia vahoaka eo am-balany,
andian'ondry entin'ny tànany.
       8Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,
tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,
       9izay nakan'ny razanareo fanahy ahy,
sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.
       10Nandritra ny efapolo taona aho monainan'izany taranaka izany,
ka nanao hoe: Vahoaka manana izay fo mania izy,
ary nahalala ny làlako.
       11Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako aho, nanao hoe:
Tsy hiditra amin'ny fitsaharako izy. >