Ny Salamo

Toko faha-96

1 Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo! Mihirà ho an'ny Tompo hianareo monina amin'ny tany rehetra.

2 Mihirà ho an'ny Tompo, misaora ny anarany. Lazao isan'andro ny famonjeny,

3 ambarao amin'ny firenena ny voninahiny, ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany.

4 Fa lehibe Iaveh sy mendrika ny fiderana rehetra, mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra izy,

5 fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena. Fa Iaveh no nanao ny lanitra.

6 Manoloana azy ny famirapiratana amam-pahalehibiazana; ao amin'ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.

7 Manomeza an'ny Tompo, ry fokom-pirenena rehetra, manomeza voninahitra amam-pahefana an'ny Tompo.

8 Omeo an'ny Tompo ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondra ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

9 Miankohofa eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany hianareo monina amin'ny tany rehetra!

10 Lazao eo amin'ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka; ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy,

11 Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;

12 aoka ho miramirana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy, aoka hihoby ny hazo rehetra any an'ala,

13 eo anatrehan'ny Tompo fa avy izy. Avy hitsara ny tany izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947