Ny Salamo

Salamo toko 96
Fiderana sy fanomezam-boninahitra miara-be an'Iaveh, izay ho avy hitsara ny tany.

       1 Mihirà fihiram-baovao ho an'Iaveh!
Mihirà ho an'Iaveh hianareo monina amin'ny tany rehetra.
       2 Mihirà ho an'Iaveh, misaora ny anarany.
Lazao isan'andro ny famonjeny,
       3 ambarao amin'ny firenena ny voninahiny,
ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany.
       4 Fa lehibe Iaveh sy mendrika ny fiderana rehetra,
mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra izy,
       5 fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena.
Fa Iaveh no nanao ny lanitra.
       6 Manoloana azy ny famirapiratana amam-pahalehibiazana;
ao amin'ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.
       7 Manomeza an'Iaveh, ry fokom-pirenena rehetra,
manomeza voninahitra amam-pahefana an'Iaveh.
       8 Omeo an'Iaveh ny voninahitra mendrika ny anarany.
Mitondra ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
       9 Miankohofa eo anatrehan'Iaveh amin'ny fanamiana masina,
mangovita eo anatrehany hianareo monina amin'ny tany rehetra!
       10 Lazao eo amin'ny firenena hoe: Iaveh no mpanjaka;
ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao;
hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy,
       11 Aoka hifaly ny lanitra,
sy hiravoravo ny tany.
Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
       12 aoka ho miramirana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy,
aoka hihoby ny hazo rehetra any an'ala,
       13 eo anatrehan'Iaveh fa avy izy.
Avy hitsara ny tany izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny izy,
ary ny firenena, araka ny fahamarinany.