Ny Salamo
Toko faha-96
1 Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo! Mihirà ho an'ny Tompo hianareo monina amin'ny tany rehetra.2 Mihirà ho an'ny Tompo, misaora ny anarany. Lazao isan'andro ny famonjeny,
3 ambarao amin'ny firenena ny voninahiny, ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany.
5 fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena. Fa Iaveh no nanao ny lanitra.
6 Manoloana azy ny famirapiratana amam-pahalehibiazana; ao amin'ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.
