Ny Salamo
Toko faha-96
10 Lazao eo amin'ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka; ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy,11 Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
12 aoka ho miramirana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy, aoka hihoby ny hazo rehetra any an'ala,
13 eo anatrehan'ny Tompo fa avy izy. Avy hitsara ny tany izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.