Ny Salamo
Toko faha-96
7 Manomeza an'ny Tompo, ry fokom-pirenena rehetra, manomeza voninahitra amam-pahefana an'ny Tompo.8 Omeo an'ny Tompo ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondra ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
9 Miankohofa eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany hianareo monina amin'ny tany rehetra!
10 Lazao eo amin'ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka; ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy,
