Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 97, 1-2,5-6,11-12,
Fandresen'Iaveh ny sampy - Fiarovany ny mpanompony.

       1Mpanjaka Iaveh: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
       2Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.
       5Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
       6Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.
       11Afafy ho an'ny marina ny fahazavana,
ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
       12Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina,
ary manomeza voninahitra ny anarany masina. >