Ny Salamo
Salamo toko 98
Fanjakan'Iaveh amin'izao tontolo izao - Fiantsoana hanome voninahitra azy - Fihaviany hitsara ny tany.
1 Salamo.
Mihira fihiram-baovao ho an'Iaveh,
fa nanao fahagagana izy.
Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina
no nahazoany ny fandresena.
2 Nampiharihary ny famonjeny Iaveh;
nanambara ny fahamarinany teo imason'ny firenena izy.
3 Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin'ny taranak'Israely.
Ny vazan-tany efatra,
nahita ny famonjen'Andriamanitsika avokoa.
4 Manaova hobin-kafaliana mankamin'Iaveh,
hianareo monina amin'ny tany rehetra.
Ataovy mipoaka amin'ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.
5 Mankalazà an'Iaveh amin'ny harpa,
amin'ny harpa sy amin'ny fihirana.
6 Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan'Iaveh Mpanjaka,
amin'ny trompetra amam-peon'anjomara.
7 Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
Aoka ny tany mbamin'ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.
8 Aoka ho velon-tehaka ny ony;
aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,
9 eo anatrehan'Iaveh, fa avy hitsara ny tany izy;
hitsara ny tany araka ny rariny izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.