Ny Salamo

Toko faha-98

1 Salamo. Mihira fihiram-baovao ho an'ny Tompo, fa nanao fahagagana izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.

2 Nampiharihary ny famonjeny Iaveh; nanambara ny fahamarinany teo imason'ny firenena izy.

3 Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin'ny taranak'Israely. Ny vazan-tany efatra, nahita ny famonjen'Andriamanitsika avokoa.

4 Manaova hobin-kafaliana mankamin'ny Tompo, hianareo monina amin'ny tany rehetra. Ataovy mipoaka amin'ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0973