Ny Salamo
Toko faha-98
1 Salamo. Mihira fihiram-baovao ho an'ny Tompo, fa nanao fahagagana izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.7 Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy; Aoka ny tany mbamin'ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.
8 Aoka ho velon-tehaka ny ony; aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,
9 eo anatrehan'ny Tompo, fa avy hitsara ny tany izy; hitsara ny tany araka ny rariny izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.