Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 98, 1,2-3ab,7-8,9,
Fanjakan'Iaveh amin'izao tontolo izao - Fiantsoana hanome voninahitra azy - Fihaviany hitsara ny tany.

       1Salamo.
Mihira fihiram-baovao ho an'ny Tompo,
fa nanao fahagagana izy.
Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina
no nahazoany ny fandresena.
       2Nampiharihary ny famonjeny Iaveh;
nanambara ny fahamarinany teo imason'ny firenena izy.
       3Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin'ny taranak'Israely.
Ny vazan-tany efatra,
nahita ny famonjen'Andriamanitsika avokoa.
       7Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy;
Aoka ny tany mbamin'ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.
       8Aoka ho velon-tehaka ny ony;
aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,
       9eo anatrehan'ny Tompo, fa avy hitsara ny tany izy;
hitsara ny tany araka ny rariny izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny. >