Ny Salamo
Toko faha-98
5 Mankalazà an'ny Tompo amin'ny harpa, amin'ny harpa sy amin'ny fihirana.6 Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan'ny Tompo Mpanjaka, amin'ny trompetra amam-peon'anjomara.
7 Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy; Aoka ny tany mbamin'ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.
8 Aoka ho velon-tehaka ny ony; aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,
9 eo anatrehan'ny Tompo, fa avy hitsara ny tany izy; hitsara ny tany araka ny rariny izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.