Ny Salamo

Salamo toko 99
Ny fanjakan'Iaveh - Mamaly izay miantso azy izy.

       1 Mpanjaka Iaveh; mangovitra ny firenena;
mipetraka eo amin'ny Kerobima izy; mangozohozo ny tany.
       2 Lehibe ao Siona Iaveh,
tafasandratra ambonin'ny firenena izy.
       3 Hoderaina anie ny anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina izy.
       4 Hoderaina anie ny herin'ny Mpanjaka, izay tia ny rariny.
Manamafy ny fahitsiana hianao,
mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny
eo amin'i Jakoba hianao.
       5 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika,
ary miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo ipetrahan'ny tongony. - Fa Masina izy.
       6 Moizy sy Aarona dia anisan'ireo mpisorony,
ary Samoela isan'ireo miantso ny anarany,
dia niantso an'ny Tompo, ka novaliany.
       7 Niteny tamin'ireo tao amin'ny andry rahona izy;
nitandrina ny didiny izy ireo
sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.
       8 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahanay;
Andriamanitra be indrafo ho azy ireo hianao,
ary namaly azy tamin'ny hadisoany.
       9 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika,
ary miankohofa eo anatrehan'ny tendrombohiny masina,
fa masina Iaveh Andriamanitsika.