Ny Salamo
Toko faha-99
5 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo ipetrahan'ny tongony. - Fa Masina izy.6 Moizy sy Aarona dia anisan'ireo mpisorony, ary Samoela isan'ireo miantso ny anarany, dia niantso an'ny Tompo, ka novaliany.
7 Niteny tamin'ireo tao amin'ny andry rahona izy; nitandrina ny didiny izy ireo sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.
8 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahanay; Andriamanitra be indrafo ho azy ireo hianao, ary namaly azy tamin'ny hadisoany.
9 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan'ny tendrombohiny masina, fa masina Iaveh Andriamanitsika.