Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 9, 2-3,4,6,16b,19,

       <2Hidera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra aho,
hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.
       3Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho,
hihira ny anaranao aho, ry Avo indrindra รด!
       4Lasa mihemotra ny fahavaloko,
mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan'ny tavanao.
       6Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka,
nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran'ireny.
       16Latsaka tamin'ny lavaka nohadiny ny firenena;
voan'ny fandrika harato nafeniny ny tongony.
       19Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany;
ny fanantenan'ny ory tsy rava mandrakizay. >