Ny Salamo

Toko faha-9

2 Hidera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra aho, hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.

3 Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho, hihira ny anaranao aho, ry Avo indrindra รด!

6 Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka, nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran'ireny.

8 Fa Iaveh kosa mipetraka mandrakizay, efa voatsangany ny sezany hitsarany;

9 ka mitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinana izy, mitsara ny firenena amin'ny fahitsiana.

16 Latsaka tamin'ny lavaka nohadiny ny firenena; voan'ny fandrika harato nafeniny ny tongony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0712