Ny Salamo

Toko faha-9

8 Fa Iaveh kosa mipetraka mandrakizay, efa voatsangany ny sezany hitsarany;

9 ka mitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinana izy, mitsara ny firenena amin'ny fahitsiana.

10 Iaveh dia fiarovana ho an'ny ampahoriana, fiarovana ho amin'ny andron'ny fahoriana.

11 Hianao no itokian'izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba mandao izay mitady anao, hianao, ry Iaveh.

12 Mankalazà an'ny Tompo izay mitoetra any Siona, ambarao amin'ny firenena ny asa lehibe nataony.

13 Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany; tsy nanadino ny fitarainan'ny tra-pahoriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1146