Boky Voalohan'i Samoela

Toko voalohany

9 Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana Annà kosa. Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin'ny fipetrahana anankiray, teo anoloan'ny anankiray amin'ny tsato-kazon'ny tempolin'ny Tompo.

10 Fo vontom-pahoriana no nivavahan'i Annà tamin'ny Tompo ary nipotrapotraka ny ranomasony; 11 ary nivoady izy, nanao hoe: Iavehn'ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian'ny ankizivavinao hianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an'ny Tompo izy, amin'ny andro iainany rehetra, ary tsy hokasihin-kareza ny lohany. 12 Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan'ny Tompo ka nodinihin'i Helì ny vavany. 13 Fa niteny anakampo Annà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin'i Helì fa mamo izy. 14 Dia hoy izy taminy: Mandra-pahoviana hianao no ho mamo? Mampisavà ny hamamoana avy amin'ny divainao. 15 Fa hoy Annà: Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-pò aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan'ny Tompo. 16 Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon'i Beliala fa ny hamafin'ny alahelo amam-pahoriako no nitenenako mandrak'ankehitriny. 17 Dia niteny indray Helì ka hoy izy: Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin'Andriamanitr'Israely anie ny vavaka nataonao taminy. 18 Ka hoy izy: Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao. Dia lasa nizotra ny làlany ravehivavy, dia nihinana izy ary niova ny tarehiny. 19 Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan'ny Tompo, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà. 20 Ary Elkanà nahalala an'i Annà vadiny, ary Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka Annà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin'ny Tompo, hoy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0954