Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-15

16 Ka hoy Samoela tamin'i Saola: Aoka izay, fa hambarako anao izao izay nolazain'ny Tompo tamiko halina. Dia hoy Saola taminy: Lazao. 17 Hoy Samoela: Moa tsy tonga filohan'ny fokon'Israely hianao fony hianao mbola kely teo imasonao? Ary moa tsy nohosoran'ny Tompo hianao ho mpanjaka amin'Israely? 18 Nirahin'ny Tompo handeha amin'ny làlana hianao nataony hoe: Mandehana, ataovy anatema ireo mpanota ireo, ny Amalesita, ary miadia aminy, mandra-pandringana azy. 19 Nahoana ity hianao no tsy nihaino ny feon'ny Tompo fa nanao hitsin-dàlana tamin'ny babo, sy nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo? 20 Dia hoy Saola tamin'i Samoela: Eny tokoa, nihaino ny feon'ny Tompo aho ary nandeha tamin'ny làlana nanirahan'ny Tompo ahy. Nentiko Agaga mpanjakan'i Amaleka ary Amaleka nataoko anatema. 21 Ary ny vahoaka naka tamin'ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema mba hanaovana sorona amin'ny Tompo Andriamanitrao, any Galgalà. 22 Fa hoy Samoela: Moa sitrak'Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin'ny Tompo va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran'ondralahy. 23 Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho hianao nanary ny tenin'ny Tompo, dia mba ariany kosa hianao tsy ho mpanjaka intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0839