Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-16

1 Ka hoy Iaveh tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hitomanianao an'i Saola, kanefa aho manary azy tsy ho mpanjaka amin'Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho amin'Isaï any Betleema hianao, satria amin'ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako.

6 Nony tafiditra izy ireo dia nahita an'i Eliaba Samoela ka nanao hoe: Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo.

7 Fa hoy Iaveh tamin'i Samoela: Aza ny tarehiny no jerenao, na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan'ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa Iaveh kosa mijery ny fo. 10 Nampandalovin'Isaï teo anatrehan'i Samoela koa ireto fito mirahalahy tamin'ny zanany ary hoy Samoela tamin'Isaï : Tsy misy nofidin'ny Tompo amin'ireto. 11 Ary hoy Samoela tamin'Isaï: Ireo ihany va no zatovolahy rehetra? Dia hoy Isaï: Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy. Ka hoy Samoela tamin'Isaï: Ampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy. 12 Dia nampanalain'Isaï io. Mavo mena ny volon'izy izay; sady bary maso izy no tsara tarehy. Ary hoy Iaveh: Mitsangàna, hosory io, fa io no izy. 13 Dia noraisin'i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan'ny rahalahiny io; ary hatramin'izany andro izany sy tamin'ny andro manaraka, dia nidina tamin'i Davida ny fanahin'ny Tompo Dia niainga Samoela nankany Ramata.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1601