Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'i Samoela

1 Samoela toko 3, 3b-10,19,
<3ny jiron'Andriamanitra mbola tsy maty, ary Samoela nandry tao an-tempolin'ny Tompo izay nisy ny fiaran'Andriamanitra; - 4dia nantsoin'ny Tompo Samoela ka namaly hoe: Inty aho! 5Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Ary hoy Helì: Tsy niantso aho, fa miverena mandry. Dia lasa izy nandry. 6Nantsoin'ny Tompo indray Samoela ka niarina Samoela dia nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Namaly Helì: Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry. 7Tsy mbola nahalala an'ny Tompo Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin'ny Tompo izy. 8Ary nantsoin'ny Tompo fanintelony indray Samoela ka niarina, dia nankany amin'i Helì, 9nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Fantatr'i Helì tamin'izay fa Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy Helì tamin'i Samoela: Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena, ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tany amin'ny fitoerany.
       10Ary tonga Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: Ry Samoela ô! ry Samoela ô! Dia namaly Samoela: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.
       19Dia nitombo ho lehibe Samoela sady nomba azy Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny. >