Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-4

1 Ary natao tamin'Israely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nivoaka hiady tamin'ny Filistina Israely ka nitoby teo akaikin'ny Eben-Ezera; ary ny Filistina nitoby tao Afeka.

2 Ary nony nilahatra hiady tamin'Israely ny Filistina, ka rafitra ny ady, dia resin'ny Filistina Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin'ny tany lemaka. 3 Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon'Israely: Nahoana Iaveh no namely antsika teo anoloan'ny Filistina androany? Andeha hoentina hankaty amintsika avy any Silao ny fiaran'ny faneken'ny Tompo; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin'ny tànan'ny fahavalontsika izy. 4 Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy any amin'io tanàna io ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tafika, izay mipetraka amin'ny kerobima. Niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Andriamanitra izy mirahalahy zanak'i Helì, dia Ofnì sy Finea. 5 Nony niditra teo an-toby ny fiaran'ny faneken'ny Tompo dia nihoby an-kafaliana lehibe Israely rehetra, ka nanako ny tany.

6 Ren'ny Filistina ny fikotrokotrok'izany hoby izany, ka hoy izy: Inona no anton'izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin'ny Hebrio izany? Dia reny fa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no tonga tao an-toby. 7 Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe: Tonga ao an-toby Andriamanitra. Dia hoy izy: Hahita loza isika, fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandrak'ankehitriny! 8 Hahita loza isika! Iza no hanafaka antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsiana tany an'efitra tamin'izao loza rehetra izao. 9 Samia matanjaka sy mitomban-dahy hianareo, ry Filistina, fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo. Misehoa ho lehilahy ary miadia. 10 Dia niady ny Filistina ka resy Israely sy samy nandositra ho any an-dainy avy; ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra no lavo tamin'Israely. 11 Ny fiaran'Andriamanitra dia voasambotra ary izy roa lahy zanak'i Helì, Ofnì sy Finea, dia maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0796