Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-12

7 Dia hoy Natàna tamin'i Davida: Tsy iza fa hianao izany olona izany. Ka izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nanosotra anao ho mpanjaka amin'Israely aho, ary nanafaka anao tamin'ny tànan'i Saola; 8 ny tranon'ny tomponao nomeko anao; ny vadin'ny tomponao nataoko teo am-pofoanao; ny taranak'Israely sy Jodà natolotro anao, ary raha kely loatra izany mbola ho nampiako izao sy izao koa. 9 Ka nahoana no nanamavo ny tenin'ny Tompo hianao, fa nanao ratsy eo imasony? Oria Heteana nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona! 10 Koa ankehitriny noho hianao nanamavo ahy, sy naka ny vadin'i Oria Heteana, ho vadinao, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra. 13 Dia hoy Davida tamin'i Natàna: Nanota tamin'ny Tompo aho! Fa hoy kosa Natàna tamin'i Davida: Navelan'ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.246