Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-5

1 Ary tonga amin'i Davida tany Hebrona ny fokon'Israely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.

2 Hatramin'ny nanjakan'i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa hianao no nitondra an'Israely nivoaka sy niditra. Ary Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Hianao no hamahana an'Israely oloko, hianao no ho andrian'Israely. 3 Ary samy tonga tany amin'ny mpanjaka tany Hebrona avokoa ny loholon'Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo tany, teo anatrehan'ny Tompo, Davida mpanjaka; ary nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0381