Boky Voalohan'i Samoela

Toko voalohany

20 Ary Elkanà nahalala an'i Annà vadiny, ary Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka Annà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin'ny Tompo, hoy izy.

21 Dia niakatra Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra hanatitra amin'ny Tompo ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny.

22 Tsy mba niakatra anefa Annà, fa hoy izy tamin'ny lahy: Rahefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko hiseho eo anatrehan'ny Tompo sy hitoetra eo mandrakizay. 23 Ary hoy Elkanà vadiny taminy: Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna aty aloha, mandra-panotinao azy, ary ho efain'ny Tompo anie ny teniny. Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. 24 Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr'ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran'ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon'ny Tompo tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza. 25 Dia novonoin'izy ireo ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny nankao amin'i Helì ny zaza. 26 Ka hoy Annà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin'ny Tompo. 27 Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken'ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy. 28 Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an'ny Tompo; nafoy ho an'ny Tompo izy amin'ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan'ny Tompo izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054