Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-3

3 ny jiron'Andriamanitra mbola tsy maty, ary Samoela nandry tao an-tempolin'ny Tompo izay nisy ny fiaran'Andriamanitra; - 4 dia nantsoin'ny Tompo Samoela ka namaly hoe: Inty aho! 5 Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Ary hoy Helì: Tsy niantso aho, fa miverena mandry. Dia lasa izy nandry. 6 Nantsoin'ny Tompo indray Samoela ka niarina Samoela dia nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Namaly Helì: Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry. 7 Tsy mbola nahalala an'ny Tompo Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin'ny Tompo izy. 8 Ary nantsoin'ny Tompo fanintelony indray Samoela ka niarina, dia nankany amin'i Helì, 9 nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Fantatr'i Helì tamin'izay fa Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy Helì tamin'i Samoela: Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena, ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tany amin'ny fitoerany. 10 Ary tonga Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: Ry Samoela ô! ry Samoela ô! Dia namaly Samoela: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1286