Boky Voalohan'i Samoela
Samoela I toko 3. 3-10,19
3 ny jiron'Andriamanitra mbola tsy maty, ary Samoela nandry tao an-tempolin'ny Tompo izay nisy ny fiaran'Andriamanitra; -
4 dia nantsoin'ny Tompo Samoela ka namaly hoe: Inty aho!
5 Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Ary hoy Helì: Tsy niantso aho, fa miverena mandry. Dia lasa izy nandry.
6 Nantsoin'ny Tompo indray Samoela ka niarina Samoela dia nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Namaly Helì: Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry.
7 Tsy mbola nahalala an'ny Tompo Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin'ny Tompo izy.
8 Ary nantsoin'ny Tompo fanintelony indray Samoela ka niarina, dia nankany amin'i Helì,
9 nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Fantatr'i Helì tamin'izay fa Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy Helì tamin'i Samoela: Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena, ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tany amin'ny fitoerany. 10 Ary tonga Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: Ry Samoela ô! ry Samoela ô! Dia namaly Samoela: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.
19 Dia nitombo ho lehibe Samoela sady nomba azy Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.