Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-47
2 Toy ny fanavaka ny sabora amin'ny sorona fisaorana, no nanavahana an'i Davida teo amin'ny zanak'Israely.3 Nilalao tamin'ny liona, toy ny amin'ny zanak'osy izy, ary tamin'ny orsa, toy ny amin'ny zanak'ondry kely.
4 Fony izy mbola tanora, tsy namono ilay goavam-be va izy, ka nahafa-kenatra ny vahoaka, nony nanainga tanana mbamin'ny vaton'antsamotadiny izy, sy nanongana ny reharehan'i Goliata?
5 Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy, ary ny Tompo nanome hery ny tànany ankavanana, hamono mahafaty an'ilay mpiady mahery, mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.
6 Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin'ireo iray alina; noderaina izy, noho ny fitahian'ny Tompo; ary natolotra azy ny satro-boninahitra.
7 Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo, nohoseny tamin'ny tongony ny Filistina, ny mpanohitra; noketrahiny mandrak'androany ny herin'ireny.
8 Tamin'izay rehetra nataony izy nanolotra haja, ny Masina, ny Avo Indrindra, tamin'ny teny fiderana; tamin'ny fony tokoa nanao hira fankalazana ary tia an'Ilay nanao azy.
9 Nanendry mpihira eo anoloan'ny otely izy, ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin'ny feon'ireo.
10 Nataony manetriketrika ny fety, ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe, amin'ny fotoana ankalazan'ny mpihira ny anara-masin'ny Tompo, sy hampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.
11 Ny Tompo kosa namela ny hadisoany, nanandratra ny fahefany ho mandrakizay; ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka, sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin'Israely.
12 Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray, tao anatin'ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.
13 Nanjaka tamin'ny androm-piadanana Salomona, fa nomen'Andriamanitra fitsaharana amin'ny manodidina rehetra izy, mba hanorina tempoly ho an'ny anarany, sy hanamboatra fitoerana masina mandrakizay.
