Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-48

1 Manaraka izany, nitsangana Elia, mpaminany hoatra ny afo, ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny.

2 Niantso mosary hamely an'Israely izy, ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony.

3 Nanakatona ny lanitra tamin'ny tenin'ny Tompo izy, ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa.

4 Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin'ny fahagagana nataonao ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao?

5 Hianao nampitsangana ny maty anankiray hiala amin'ny fahafatesana sy amin'ny seoly, tamin'ny tenin'ny Avo Indrindra;

6 hianao namarina mpanjaka ho amin'ny faharavana, sy olo-malaza avy amin'ny fandriany ho any amin'ny fahafatesana;

7 hianao nandre fananarana teo ambonin'i Sinaia, sy didy famaliana tany Horeba;

8 hianao nanokana mpanjaka hanao famaliana, sy mpaminany handimby anao;

9 hianao nofaohina tamin'ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo;

10 hianao voatendry ao amin'ny teny mafy an-tsoratra ho amin'ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitovy ny hatezerana alohan'ny hirehetany, hitarika ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen'Israely indray.

11 Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon'ny fitiavana an'Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.

12 Nony voahodidin'ny tadio Elia dia tonga feno ny fanahiny Elisea. Nandritra ny andro niainany tsy nisy mpanjaka nahahozongozona azy, ary tsy nisy olona nanapaka azy.

13 Tsy misy zavatra tsy azony natao, ary ny vatany tafandry tao am-pasana nanao fahagagana.

14 Velona izy, nanao zava-mahagaga; maty indray nanao zava-mahatalanjona.

15 Na dia izany rehetra izany aza tsy nibebaka ny vahoaka, ary tsy niala tamin'ny fahotany, mandra-pitondra azy lavitra ny taniny, sy tafaely amin'ny tany rehetra. Tsy nisy tavela afa-tsy vahoaka vitsy foana, mbamin'ny filohany avy amin'ny fianakavian'i Davida.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0774