Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Sofonia

Sofonia toko 3, 14-17

       <14Mihobia, ry zanakavavin'i Siona!
manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mireharehà amin'ny fonao rehetra,
ry zanakavavin'i Jerosalema.
       15Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin'ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.
Iaveh, Mpanjakan'Israely, no eo aminao,
ka tsy hahita loza intsony hianao.
       16Amin'izany andro izany, izao no holazaina amin'i Jerosalema:
Aza matahotra, ry Siona,
ary aza miraviravy tànana!
       17Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao,
mpamonjy mahery!
Ary izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;
hangina izy amin'ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin'ny hobin-kafaliana. >