Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Tantara

1 Tantara toko 29, 10,11abc-11d,12a-12bcd,

       <10Dia nisaotra an'ny Tompo teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida, ka hoy Davida: Isaorana mandrakizay mandrakizay anie hianao, ry Iaveh, Andriamanitr'Israely rainay. 11Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa anao izay rehetra any an-danitra sy etý an-tany; anao, ry Iaveh, ny fanjakana, anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! 12Hianao no ihavian'ny harena amam-boninahitra, hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery amam-pahefana, ary ny tànanao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra. >