Boky Voalohan'ny Tantara

Tantara I toko 6
Taranak'i Levì - Mpihira notendren'i Davida - Tanàna nonenan'ny Levita.

       1 Zanakalahin'i Levì: Gersoma, Kaata, ary Merarì. 2 Izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersoma: Lobonì sy Semeia. 3 Zanakalahin'i Kaata: Amrama, Isaara, Hebrona ary Oziela. 4 Zanakalahin'i Merari: Moholi sy Mosi.
Izao no fianakavian'i Levi isan-drainy avy:
       5 Avy amin'i Gersoma: Lobnì zanany, Jahata zanany, Zammà zanany, 6 Joah zanany, Adao zanany, Zarà zanany, Jetraia zanany. 7 Zanakalahin'i Kaata: Aminadaba zanany, Kore zanany, Asira zanany, 8 Elkana zanany, Abiasafa zanany, Asira zanany, 9 Tahata zanany, Oriela zanany, Oziasa zanany, Saola zanany. 10 Zanakalahin'i Elkanà: Amasia sy Akimota; 11 Elkanà zanany, Sofaia zanany, Nahata zanany, 12 Eliaba zanany, Jerohama zanany, Elkanà zanany. 13 Zanakalahin'i Samoela: Vasenì lahimatoa, dia Abia.
       14 Zanakalahin'i Merarì: Moholì, Lobnì zanany, Semeia zanany, Ozà zanany, 15 Sammaà zanany, Haggià zanany, Asaià zanany.
       16 Ireto no voatendrin'i Davida hitari-kira, tao an-tranon'Iaveh, niantomboka hatramin'ny nahazoan'ny fiara fitoeram-pijanonana. 17 Dia nanao ny raharahan'ny mpihira teo anoloan'ny fonenan'ny tranolay fihaonana izy ireo, mandra-panaovan'i Salomona ny tranon'Iaveh tany Jerosalema, ary nipetraka nanao ny fanompoany araka ny nandaminana an'izay. 18 Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin'ny zanany avy: Amin'ny zanakalahin'ny Kaatita: Hemàna mpihira, zanak'i Joela, zanak'i Samoela, 19 zanak'i Elkanà, zanak'i Jerohama, zanak'i Eliela, zanak'i Taoho, 20 zanak'i Sofa, zanak'i Elkanà, zanak'i Mahata, 21 zanak'i Amasaia, zanak'i Elkanà, zanak'i Joela, zanak'i Azariasa, zanak'i Sofoniasa, 22 zanak'i Tahata, zanak'i Asira, zanak'i Abiasafa, 23 zanak'i Kore, zanak'Isaara, zanak'i Kaata, zanak'i Levì, zanak'Israely. 24 Asafa rahalahiny izay nitsangana teo an-kavanany: Asafa zanak'i Barakiasa, zanak'i Samà, 25 zanak'i Mikaela, zanak'i Basaiasa, 26 zanak'i Melkiasa, zanak'i Atanaia, zanak'i Zarà, 27 zanak'i Adada, zanak'i Etàna, zanak'i Zammà, 28 zanak'i Semeia, zanak'i Jeta, zanak'i Gersoma, zanak'i Levì. 29 Zanakalahin'i Merarì rahalahin'izy ireo teo an-kavia: Etàna, zanak'i Kosi, zanak'i Abdì, zanak'i Malòka, 30 zanak'i Hosabiasa, zanak'i Amasiasa, zanak'i Helkiasa, 31 zanak'i Amasaia, zanak'i Boni, zanak'i Somera, 32 zanak'i Moholi, zanak'i Mosì, zanak'i Merarì, zanak'i Levì.
       33 Ny levita rahalahin'izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin'ny tabernakla ao an-tranon'Iaveh. 34 Aarona sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona, teo ambonin'ny otelin'ny sorona dorana, sy ny emboka, teo ambonin'ny otelin'ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanantanteraka ny raharaha ao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an'Israely, araka izay rehetra nandidian'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra.
       35 Ireto no zanakalahin'i Aarona: Eleazara zanany, Finea zanany, Abisoe zanany; 36 Boksi zanany, Ozì zanany, Zaraiasa zanany, 37 Meraiota zanany, Amariasa zanany, 38 Akitoba zanany, Sadaoka zanany, Akimaasa zanany.
       39 Ary izao no fonenany, araka ny faribohiny, tao amin'ny zara-taniny avy: Ny taranak'i Aarona, amin'ny fianakavian'ny Kaatita, izay voatendrin'ny filokana voalohany, 40 dia nomena an'i Hebrona mbamin'ny tany fiandrasam-biby manodidina azy teo amin'ny tanin'i Jodà; 41 ny faritanin'ny tanàna kosa anefa mbamin'ny vohiny, dia nomena an'i Kaleba zanak'i Jefone. 42 Ny nomena ny taranak'i Aarona ary dia Hebrona tanàna fialofana, 43 Lobnò, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy, Jetera, Estemao mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 44 Dabira mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Asòna mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Betsemesa mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 45 ny avy amin'ny fokon'i Benjamina kosa, dia Gabea mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Almata mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy. Totalin'ny tanànan'izy ireo, tanàna telo ambin'ny folo araka ny fianakaviany. 46 Ny azon'ny taranak'i Kaata sisa, tamin'ny loka, dia tanàna folo, avy amin'ny foko sy ny antsasa-pokon'i Manase. 47 Ny tarakan'i Gersoma, araka ny fianakaviany, dia nahazo tanàna telo ambin'ny folo, avy amin'ny fokon'Isakara sy ny fokon'i Asera, ary ny fokon'i Neftalì, sy ny fokon'i Manase, tany Basòna. 48 Ny taranak'i Merarì araka ny fianakaviany dia nahazo tamin'ny loka tanàna roa ambin'ny folo, avy amin'ny fokon'i Zabolona. 49 Nanome ny tanàna, mbamin'ny tany fiandrasam-biby momba azy, ho an'ny Levita ny zanak'Israely. 50 Tamin'ny filokana no nanomezany azy an'ireo tanàna voatendry amin'ny anarany ireo avy amin'ny fokon'ny zanak'i Jodà sy ny fokon'ny zanak'i Simeona, ary ny fokon'ny zanak'i Benjamina.
       51 Ny sasany amin'ny fianakavian'ny taranak'i Kaata anefa, dia avy amin'ny fokon'i Efraima, ny tanàna azony; 52 ka izao no nomena azy ireo: Sikema, tanàna fialofana, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy, teo amin'ny tendrombohitr'i Efraima; Gazera, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 53 Jekmaama, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Betorona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 54 Helona mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Geth-Remmona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 55 ary ny avy amin'ny antsasa-pokon'i Manase, Anera, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Balaama, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy, ho an'ny fianakavian'ny taranak'i Kata sisa.
       56 Ny nomena ny taranak'i Gersoma avy amin'ny fianakavian'ny antsasa-pokon'i Manase: Gaolona any Basòna, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Astarota mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 57 avy amin'ny fokon'Isakara: Kedesa, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Dabereta, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 58 Ramota, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Anema, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 59 avy amin'ny fokon'i Asera: Masala, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 60 Hokòka, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Rohoba, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 61 avy amin'ny fokon'i Neftalì: Kedesa, any Galilea, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Hamona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; ary Kariataima, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy.
       62 Ny nomena ny Levita sisa taranak'i Merarì: avy amin'ny fokon'i Zabolona: Remmonao, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Tabora, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 63 ny eny an-dafin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, atsinanan'i Jordany: avy amin'ny fokon-dRobena: Bosora any an'efitra, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Jasò, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 64 Kademota, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Mefaata, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 65 avy amin'ny fokon'i Gada: Ramota, any Galaada, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Manaima, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; 66 Hesebona, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy; Jezera, mbamin'ny tany fiandrasana biby momba azy.