Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-36

14 Ny lehiben'ny mpisorona rehetra mbamin'ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan'ny firenena, sy nandoto ny tranon'ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.

15 Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin'izy ireo, Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin'ny alalan'ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy. 16 Kanjo niomehezan'izy ireo ny irak'Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny vahoakany tsy azo notohaina intsony. 17 Tamin'izay dia nentin'ny Tompo hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan'ny Kaldeana, ary novonoin'io tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tànany avokoa.

18 Nentin'i Nabokodonozora ho any Babilona avokoa ny fanaka teo an-tranon'ny Tompo, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon'ny Tompo, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an'ireo filohany. 19 Nodorany ny tranon'Andriamanitra, noravany ny mandan'i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra. 20 Nentin'i Nabokodonozora ho babo tany Babilona ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon'izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persa. 21 Izany no nahatanterahan'ny tenin'ny Tompo, tamin'ny vavan'i Jeremia: Mandra-pahazon'ny tany ny onitry ny sabatany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon'ny fitopolo taona. 22 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa, mpanjakan'i Persa, dia namporisihin'ny Tompo, ny fanahin'i Sirosa mpanjakan'i Persa, mba hahatanteraka ny tenin'ny Tompo tamin'ny vavan'i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran'ny fanjakany izao teny izao:

23 Izao no lazain'i Sirosa mpanjakan'i Persa: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471