Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana
Toko voalohany
1 Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonìka, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompo:2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin'ny fivavahanay, 3 ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan'ny fitiavanareo, ary ny faharetan'ny fanantenanareo an'i Jesoa-Kristy Tompontsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, fa olom-boafidy hianareo, 5 satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa, sy tamin'ny Fanahy Masina, ary tamin'ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an'ny famonjena anareo.