Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko voalohany

5 satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa, sy tamin'ny Fanahy Masina, ary tamin'ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an'ny famonjena anareo. 6 Noho hianareo nandray ny teny tamin'ny fahoriana be sy tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo hianareo, 7 ka tonga fakan-tahaka ho an'ny mpino rehetra any Masedonia sy Akaia kosa indray. 8 Ary tsy tany Masedonia sy Akaia ihany no tongan'ny akon'ny tenin'Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazany intsony ny olona. 9 Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo, sy ny nialanareo tamin'ny sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina, 10 sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesoa izay manafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1382