Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-4

12 mba handehananareo amim-pahamendrehana amin'izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin'olona foana. 13 Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin'izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa hianareo.

14 Fa araka ny inoantsika an'i Jesoa ho efa maty sy nitsangana tamin'ny maty no hitondran'Andriamanitra an'izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin'ny alalan'i Jesoa. 15 Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin'ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin'ny fihavian'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory; 16 fa hisy baiko homena, sy feon'arkanjely, ary feon-trompetr'Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny tenan'izy Tompo, ka izay maty tao amin'ny Kristy no hitsangana aloha; 17 rahefa izany, hakarina hiaraka amin'izy ireo eny amin'ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka, dia ho any amin'ny Tompo mandrakizay isika. 18 Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1534