Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-5

1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,

2 satria efa mahalala marina rahateo hianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. 3 Amin'ilay hanaovan'ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! iny indrindra no hilatsahan'ny fandringanana tampoka amin'izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin'ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy. 4 Hianareo anefa, ry rahalahy, dia tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;

5 fa zanaky ny mazava avokoa hianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an'ny alina isika, na an'ny maizina akory. 6 Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina. 7 Fa ny alina no fatorian'izay matory, ary ny alina no fimamoan'izay mimamo. 8 Koa aoka isika an'ny andro kosa hifady ary hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 9 Satria tsy ny ho an'ny fahatezerana no nanendren'Andriamanitra antsika, fa ny hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 10 izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika. 11 Noho izany àry, mifanalà alahelo hianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo. 12 Mangataka anareo koa izahay, ry rahalahy, mba hanaja izay miasa ao aminareo, sy mifehy anareo ao amin'ny Tompo, ary izay mananatra anareo.

13 Noho ny asan'izy ireo, manàna fitiavana azy lehibe koa, ary mihavàna tsara aminy hianareo. 14 Mangataka aminareo koa izahay, ry rahalahy: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin'ny olon-drehetra. 15 Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza, fa ny soa ho an'ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva. 16 Mifalia mandrakariva; 17 mivavaha lalandava; 18 ary misaora amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra, ao amin'ny Kristy Jesoa ho anareo rehetra. 19 Aza mamono ny Fanahy; 20 aza manamavo ny faminaniana, 21 fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; 22 fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza. 23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin'ny fahatongavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.

24 Tsy mivadika ilay niantso anareo, ka izy ihany koa no hanefa izany. 25 Mivavaha ho anay, ry rahalahy!

26 Mampanao veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina izahay. 27 Mihanta aminareo amin'ny anaran'ny Tompo aho, mba vakio amin'ny rahalahy rehetra ity taratasy ity. 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1009