Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko voalohany

1 Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonì ka izay tafaray ao amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.

4 Tonga reharehanay any amin'ny Eglizin'Andriamanitra hianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin'ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. 5 Famantarana ny hamarinan'ny fitsaran'Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izay antony iaretanareo hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1553