Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko voalohany

11 Mandra-pihavin'izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon'ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo hianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan'ny finoanareo, 12 ka hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesoa Tompo, sy hianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan'ny Andriamanitsika sy Jesoa-Kristy Tompo.

Toko faha-2

1 Ny amin'ny hahatongavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry rahalahy,

2 mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana hianareo, na ho azo ampitahotahorina foana, na amin'ny fanahy izany, na amin'ny teny, na amin'ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1462